DINAN'AKOHOLAHIMBOHITRA (Riantsoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Niserana nihelina ihany
Ilay tsiron’ny sera natao,
Kanefa nivaingana hatrany
Ny voany niaraha-nanao.

Izaho aloha dia kely finoana
Fa ranoko no entinao ao
ianao koa tsy azo hadinoina
fa zanak'i Rabelazao.

mba lasa ny saiko rakala
tsy i Paoly ilay tazako teo?
Eh, aza odian-tsy mahalala
Ny ditra sy revinareo.

‘zafady e, akia, miala tsiny
Fa sao hafetsana ny anao;
Ka sera efa vita fahiny
Lazaina fa sera vaovao.

Izay zaza iray ve hahakivy,
Ny dimy efa vita rahateo
fa ahiako ho tafakatra sivy
Ireo zana-baratro ireo.

Apetrako dieny mialoha
Ilay dina efa nifanekena:
Raha fotsy eo io zaza io aloha
Veloma, ariako eo itena!
--------
Rohy:
Sokajy : Malalaka - Fitiavana
1206 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094