MAHIA 'ZAHAY (dika vilana looool) (Riantsoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Jereo ny namanay:
voahidy tsara ery!
sady izay indray
nasiana rojovy!

Jereo ny taninay:
vidian'ny Tsarasoa;
ny asa kosa indray
voagetiny avokoa!

Ny haren'ny Dadanay
miavosa aok'izany;
dia ny faladianay
no tsy mandia tany!

Ny zokinay moa
mpikosoka mahay:
voakosony avokoa
ny atidohanay!

Angaha ny loha ihany
no dioviny zareo?
madio tahaka izany
ny sezany jereo!

Boky sy kahiƩ,
sy kitapo koa,
akanjo tabliƩ,
milamina avokoa!

Tsy dada be lazao
fa kinga sy mahay
ka moa ho gaga ianao
raha toa mahia 'zahay?
--------
Rohy:
Sokajy : Mibolisatra
1681 0
Hevitra mandeha
fahamarinana ( 25/01/2012 09:17)
Ary efa novakiako ity fa tena tsy matiko lolo ! hihi
hery ( 25/01/2012 10:17)
Mahita kosa leiry ka... milay
rainstorm ( 25/01/2012 13:46)
:)
arialy ( 25/01/2012 15:46)
ao tsara ka
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153