VONINKAZO DIA (Riantsoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy ny fitia
vao mianatra mamony
dia voninkazo dia
no nofidian'ny fony;
fa mantsy tafahoatry
ny fetran'ny tontolony
'lay sary kanto loatry
ny endrika natolony.

Nandalo dia niserana
ilay endrika narentiny,
kanefa fanaperana
ny fifaliana nentiny.

Fikopaky ny raviny,
mambabo ny tontolo,
kanefa ny hoaviny
makiana, bobongolo.

Ny rivotra naritsony
mamelombelon'aina,
kanefa ny ampitsony
tsy azo antenaina.

Hanitra mihento
no fanomen'ny felany,
kanefa sentosento
no emboka navelany.

mibohy nofy mamy
ilay fipelipeliny
nandraraka an-tany
ny vony mavokeliny.

Fa sary kanto loatra
no endrika natolony,
nanjary tafahoatry
ny fetran'ny tontolony.

Indrisy, ry Fitia
vao mianatra mamony,
raha voninkazo dia
no nofidian'ny fony.

RIANTSOA (03/12/2011)
--------
Rohy:
Sokajy : Anatra - Fitiavana
1779 0
Hevitra mandeha
fahamarinana ( 25/01/2012 09:15)
Kay, ato izany ilay izy! Misaotra nizara lesy a, hanomboka hamaky amin'izay :)
rainstorm ( 25/01/2012 13:58)
andao àry e :)
Zozoro ( 25/01/2012 14:28)
Misaotra nizara, tena tiko be
Rainstorm ( 24/04/2012 10:54)
am-pitiavana ô!
arialy ( 26/04/2012 17:03)
tsara be
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108