You are here: home > Vetso

Hono! - Ny Aina Mikanto

Tia ahy hono izy!
Zay no nolazainy tamiko
Dia hoe:fitia tena izy,
Fa tsy nindramiko
.
Tia ahy hono izy e!
Zany no mba redirediny
Safidiny ho ankiziny,
Na manonta aza tsy bediny.
.
Tia ahy hono izy!
Angamba mety ho marina,
Na koa hadalana na betizy,
Na zavatra namboarina
.
Tia ahy hono izy!
Ary manantena
Hoe:hiara-hanamboatra ankizy
Amin'izay isany hifanekena.
.
Manko,tia ahy izy
Saingy,za tsy tia azy akory
F'izy manome kirizy
Manao zay mahasosotra ahy fotsiny

Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : Ny Aina Mikanto

Nampiditra : nyainamikanto
Daty : 17/06/2017
Mpamangy : 133
Mankafy : 1
Ankafizo

Hametraka hevitra

Midira aloha