You are here: home > Vetso

Diso ve izaho? - Ny Ako

                             Diso ve izaho ?
Mba lazainao ahy!
Diso ve izaho raha toa ka hamaky an'ity soratra
mirakitra alahelo sy fitiavan-tanindrazana
Ka tsy foiko na dia dorana?

Diso ve izaho raha toa ka hilaza eto androany
fa ity Nosintsika dia mihasimba hatrany hatrany?
Fa feno fisomporana ary koa fitiavan-tena
ataon'ireo taranaka,ka toa mampahonena.

Mba lazainao ahy!
Diso ve izao raha toa ka hitsara sy ho tezitra
f'isika Malagasy mihitsy no nefa tsy mihevitra
afatsy ny tenantsika?
Ka zary tsianjery sisa ny hiram-pirenena
mitady fitahiana hahasambatra ny tena,ka toa mampahonena.

Diso ve izaho raha toa ka hilaza sy hanambara
fa tsy tara ianao raha toa ka hiova ankehitriny?
Hanova fomba fiaina mba hiadanan'ireo fara
sy dimby rahatrizay,mba tsy hananatsiny.

Sokajy : Tanindrazana

Hametraka hevitra

Midira aloha