You are here: home > Vetso

Habaky ny vetso - Rahira

                          Habaky ny vetso
Habaka misy hery
Habaka iriavana
Haba-misitery
Habaka fitiavana

Tsy habaky ny Elo
Fa haba-paradisa
Nefa habaka alahelo
Saingy tsisy disadisa

Haba-mankarary
ny fo izay falifaly
Nefa haba-mampifaly
ny fon'ireo tomany

Habaky ny fy
Habaka azo iainana
Fihaona'ny fitia
sy habakabam-piainana.

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

Nyakosombinaina (20/07/2017 12:35:30)

Io no ataonao hoe habakabaky ny poezia e!

Hametraka hevitra

Midira aloha