Ho an'i Gasikara (Rahira)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho an'i Gasikara
Raha mbola misy ianao fa tsy levon-dranomasina ry Gasikara tiako:dia hanoratra aho ho anao
Hanoratra aho ho anao fa tsy maintsy ho tsapany ihany
Hoe raha toa anie tsisy anao dia tsy toy ny olona izy.

Raha mbola misy ianao fa tsy lasa karakaina
Dia izao no tadidiko:hanoratra aho ho anao
Hanoratra aho ho anao fa tsy ho kivy na tomany
Ary hampahafantariko azy ny marina sy ny izy.

Raha mbola misy ianao fa tsy lasa tanindolo
Dia aoka fa hiafiko:hanoratra aho ho anao
Hanoratra aho ho anao ary ho anao irery hatrany
Ka ny soratro eto anio, mbola ho lasa tena izy.
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
852 1
Mpakafy: Nyakosombinaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rahira
Nampiditra : Nyakosombinaina
Daty : 20/07/2017 08:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147