Iny angamba sisa (Rahira)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny angamba sisa
Andalan-tononkalo niniana tsy notohizana
Milaza sobintsombiny amin'ny hetahetam-pony tsy nekenao ho re..
Iny angamba sisa no fara-asasorany

Nolazainy mantsy fa,tsy haoratra fitiavana ny tanany ankavanana raha toa ianao niriany no minina tsy mijery ny korinan-tomaniny.
Mivaky toy izao:

"Masiaka fiaina loatra ny olo-miaina ety
Masiaka fiaina loatra fa narindriny ny fony
Ny hantahantam-poko namboraka fitia
hatramin'ny talahoko,tsy nisy mba nohainoiny.

Masiaka toetra loatra ny olo-miaiana ety
Na sombin'alahelo aza tsy foiny noventsoina
Angamba re ity no hany faran'ny fitia
amin'ny rangotry ny peniko..."

Iny angamba sisa.
Tsy nisy reny intsony ny antson'ny fanahy
manainga mba hamonjy ny tontolom-betsoveso
Iny angamba sisa no hany faran'asasorany
miresaka fitia.Raha tsy hoe ianao manaiky
hiombom-piainana aminy mandrakizay doria...
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
1065 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rahira
Nampiditra : Nyakosombinaina
Daty : 23/07/2017 10:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136