You are here: home > Vetso

Ny Diary - Rahira

                                Ny Diary
       Efa norovitiko tsy ho isan'ny pejy atao anatin'ny diarim-poko ilay pejy mainty nitahirizako ratra sy nilatsahan'ny ranomason-tsento.
        Fa aleoko lavitra mahita azy ho rotidrotehin'ny fanantenana sy ho viravirain'ny andro tsy manan-tsiny toy izay:hanenjika hatrany ny feon'ny fieritreretako izay efa trotraky ny adin-tsina maro sy ny tsiahy mateti-pihavy,
izay mazàna izay ireny mivimbina tadidy mandondona fo am-baravaram-poko,ka mamoha indray ireo fahatsiarovana efa sondriantory norotsirotsian'ny fiainam-baovao.
         Any ianao ka  any,ny fiverenanao tsy haiko fa ny tokana atao an-tsaiko dia:hiposaka atao an-tsaiko ilay masoandrom-pifaliana fa efa mangiran-dratsy sy efa somambisamby ny maraim-baovaon'ny tsikitsiky lava.
                    Saingy raha nisy ny maraina dia
                        hisy indray ve ny hariva?
(Sombin-tsoratra)

Sokajy : Ahiahy

Hametraka hevitra

Midira aloha