S A B O T S Y M A I N T Y. (Ny Ami)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sabotsy mainty.......

Sabotsy tolakandro ilay fotoana iarahako aminy,
izarako ireo fitia sy ireo tambitamby tena maminy
Sabotsy..........eny sabotsin'ny fitia,
ifanomezanay toky hoe hiaraka ho doria.

Sabotsy....sahiran-tsaina ery aho mamisavisa ny andro
Vao alahady moa izao,rahoviana vao atoandro?
rahapitso alatsinainy maika hitombo koa ny asa,
Toa tsy ho andry ilay sabotsy iarahanay mitafa!

Eo ambany aviavy..... eo no paradisan-tsika,
ka ny andro manontolo miova ho minitra,
Rehefa isika roa no hany tafahoana....
vetivety monja dia dila ny fotoana.

Malala a!sabotsy mantsy ireny,....sabotsin-tsika roa
nisambarana am-panahy fa hifankatia tokoa
Eny sabotsy.......toa tsy hifankafoy ireto isika
fa ampoka fitia miaina anaty paradisa!!!

Fa omaly??? niova ny sabotsy,niova hatramin'ny loko,
ka lakolosy tokana no nanepaka ny foko
Tonga teo an-kianja aho dia ilay kianjan'ny fitia,
hoe hiaraka aminao hifambabo sy hifangia.

Saingy lakolosy tokana.........eny lakolosy.....
no nampakatra ny soratra nandrava nofinofy
Fa aiza ilay malalako e??? hoy aho mody fanina,
Fa ny valiny ao an-tsaiko nodiako tsy fantarina.

Mody niezaka aho nitsiky nandiso ny eritreritro
ka ny marina rehetra mody tsy noheveriko
naviliko ny saiko..... ary nobedesiko mihitsy
ilay marina efa fantako nolazaiko hoe tsy misy!!!

Teo vao tena jenjina.........nianjera niakarapoka
fa mafy ity raha mafy,tsy nampoizina fa tampoka,
niondrika aho dia izay...... ny ranomaso no tsy tanako
.........fa iny sabotsy ariva iny..........
...........NODY MANDRY ILAY MALALAKO.........

Ny Ami
--------
Rohy:
2026 4
Hevitra mandeha
nannie ( 15/08/2015 07:38)
Henjana be ! tafita tsara ny hevitry ny tononkalo ! Tsara !
NYAMI ( 15/08/2015 09:09)
Izany ve? Misaotra anao ary e!
Rakotojean ( 18/08/2015 04:19)
Mahafinaritra oa ny tononkalo malagasy e!
telomahery ( 24/08/2015 20:01)
tsara ilay hevitra,indrindra ny rafitra nananganao azy.
jenahhilary ( 11/09/2015 15:48)
tsara be le izy e! tiko be le rima nitondranao azy miaraka amin'ilay style
dadatsima ( 04/03/2016 17:04)
mazana be izany sabotsy mainty izany a, ny sabotsy manko matetika andro tena ankafihizin'ny gasy fa andro fialahantsasatra sy andro fihaonana , raha namaky ny andininy aho dia kopy ihany aho hoe nisy fandisoam-panantenana, fa saingy ankehitriny ange efa mora ny manorina fitia, efa betsaka ny réseaux sociaux hafahana mifampikoty koa ataovy toy ny tanala very sampy e ka ny manova no mety
Isiomanga ( 06/03/2016 15:26)
tena zava-nisy ve? na tsy izay aza no tena izy mandona be ilay ainga noentinao namoahana azy sy ilay vontoatiny izay tokoa ilay fahaizan' ny mpanoratra

NYAMI ( 13/03/2016 04:52)
Ie tena zava-nisy ka... Mbola tsy dia nanjaka ny reseaux sociaux tamin'izany...
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Ami
Nampiditra : NYAMI
Daty : 14/08/2015 14:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136