You are here: home > Vetso

IANAO - NY Andri-Fara

IANAO
Fony ianao tsy mbola fantatro
dia niezaka aho ho namanao,
satria hitako fa tia
tia satria tsy mbola nitia.

Na izany aza
mba vahotra ny lelalo
mangovitra ny peniko,
hanoratra ho anao;
hiventso ny anaranao
hikalo ilay hiranao....
dia ilay " Nofy manga"
nokaloinao fony ianao
tsy nahatsapa fa hay izaho tianao.

Ry ilay nomeko ny fitiavako
mba tiavo...aza am-pijaliana
ity foko fa mahantra.
miandry anao na aiza na aiza
toerana misy anao.

Ny Andri-Fara

Sokajy : Fanantenana

Hevitra mandeha

Rapha (17/03/2006 10:22:26)

ianao ve tena mpanoratra e

MEVA

Jovany (22/04/2006 17:56:19)

tena tsara tena tsara fa tohizo foana.
Bisous!!!

Hametraka hevitra

Midira aloha