IZAHO SY IANAO (Ny Antara ANDRIANARISAINA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Ianao" no mba avy eo rehefa nisy "izaho",
izay aloha vao "izy"!

Fa ny nahavariana,
ilay "izaho" talohanao toa tsy mionina ny saina
fa "ianao" manaraka azy no manalokaloka azy,
manaitra ny ambiroany,
Manetsika ny lohany,
mandòna ny ati-fony
ka manaitra ny fitiavany.

Dia nisy "izaho" sy "ianao"...
Nodinganintsika "izy" fa
tsy navelanao ny masoko aza hitazana
na aza dia efa liana ny te hanarangarana.
"Ianao" no nahafehy ny "izaho" rehetra nisy.
Ka nony ireo nitambatra dia hary koa "isika".

"Isika" roa namaky ny fianantsika roa,
"Ianareo" avy eo no lasa mba ho namako, mandritra ny andro hiainako: "ianao" sy ilay vahiny vokatry ny "isika".

"Izy Ireo" no zanantsika.
Handova ny "izaho", handova ny "ianao" !
Hahita ny izahony
Hahita ny ianaony
Tahaka "isika" izao.


Ny Antara
(28/11/2017)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1225 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Antara ANDRIANARISAINA
Nampiditra : Ny Antara ANDRIANARISAINA
Daty : 28/11/2017 20:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144