gasika te hivoatra (ny antsako)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
lasa ihany izany saina
moa mba misy ho antenaina?
fa toa tsy miova mba hiatsara
izato ianao ry Gasikara
fandrosoana no tadiavina
de ireo vahiny lolohavina
fomba maro tsy an'ny tena
no hitondrana firenena
Gasikara ô mba raoviana
vao mba hisy fitoviana
ka hamiratra eran-tany
izany malagasy izany
zanahary ô mba tahio
ny fireneko mba ampio
fa raha Ianao no tsy mijery
ny malagasy dia ho very
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
648 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ny antsako
Nampiditra : nyantsako
Daty : 25/06/2015 08:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095