You are here: home > Vetso

tsiky - Ny Asy Camille

raha sendra ny ngidin'ny fiainana an-tany
raha sendra ny tiana no nandao lavitra any
raha toa sesehena ny zava-tsy tanty
andramo kely fa tsiky dia ampy
    raha sendra tsy rariny na tsindry hazolena
    na mampahonena aza ity firenena
    f'izay topian'ny maso toa mampahonena
    asio tsiky kely ,ny ampitso jerena
raha sendra tafiotra na aizimikitroka
rha tena efa resy tsy misy hafitsoka
ny tanamasoandro tsy miangatra izany
asio tsiky kely eh!!! dia ho hita eo ihany
    
    

    

Sokajy : Fampaherezana

Mombamomba

Mpanoratra : Ny Asy Camille

Nampiditra : camkz
Daty : 20/02/2004
Mpamangy : 1461
Mankafy : 1
Ankafizo

Tononkalo hafa

Ary raha averina ?
Fiononana

Hevitra mandeha

Oully (03/03/2004 13:18:41)

Tena tsy ratsy kosa ilay "tsiky" nao an! Ampy eh

camkz (03/03/2004 20:36:17)

misaotra e asio tsiky kely ary ! ny tiako ampitaina dia izao: rehefa feno loatra ny hafaliana dia mirotsaka ny ranomaso ary rehefa be loatra ny alahelo dia mampihomehy ho azy misaotra eh

six (06/03/2004 16:46:45)

mmisaotra amin'ilay tononkalo, tsara ary mampitraka, d tohizo hatrany

six (06/03/2004 16:46:59)

mmisaotra amin'ilay tononkalo, tsara ary mampitraka, d tohizo hatrany

Rakotonirina (12/03/2004 13:09:17)

c bien comme poeme, ça console !continues encore

hery (29/03/2004 01:35:16)

Kiiii tena tiko be ilay tononkalo...

Efa nisy oul nanoratra Tsiky dé ampy kou taloha fa tsy hita ny nanjavonany... Merci fa manja e

"Tsiky dia ampy"

fiaritiana (13/12/2005 09:54:03)

tsara e

Hametraka hevitra

Midira aloha