You are here: home > Vetso

HO ANAO SY HO AHY - Ny Avana

Tsarovy, sakaiza, ny fon-dehilahy,
na ino-midona na ino-mipaika
tsy mety ho kivy, tsy mety manahy,
tsy maintsy mijoro, tsy maintsy mitraka!

Na rahona mainty na oram-baventy,
na rivo-mahery na andro migaina,
E! Zavatra tokana ihany no mety;
asaina mijoro ny fo sy ny saina.

Na inon-kapoaka mangidin'ny tany,
E! Aza mba kivy, onony ny fo;
tsy misy mafaitra ny atin'izany
rehefa tampohana fiononam-po.

Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : Ny Avana

Nampiditra : nalsonrazakariasa2015
Daty : 07/12/2017
Mpamangy : 102
Mankafy : 2
Ankafizo

Hametraka hevitra

Midira aloha