Angamba (Ny Avo Rakoto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANGAMBA

Angamba mety hisy ora sy fotoana hihaonantsika indray
Amin'izay fotoana izay :
Ho hitanao ny endriko
Ka ho vinakinao daholo
Ny aty foko manontolo
Nokoboniko hatrizao
Tsaroako tsara manko
Ilay marain'ny alahady
Nihaonana voalohany
Teo am-bavahadin'ny fiangonantsika teo
Ianao niakanjo fotsy dia izaho niakanjo manga
tsy foana tato an-tsaiko; tsy mbola nisy banga
Ny totalin'ny endrikao
Eny hatramin'izao
K'izao aho 'zao miandrandra
Raha toa ka sitrak'ilay Ray
Ny hihaonantsika indray
Amin'izay fotoana izay :
Ho hitanao ny endriko
Ka ho vinakinao daholo
Ny aty foko manontolo
Ho tsapanao mivaingana
Ny herin'ny fitiavana
Nitsiry tato anaty; tsy haiko mba no lavina
Satria ianao no tiana, satriko ho Tiavina.

Ny Avo Rakoto
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
974 1
Mpakafy: Nyavorakoto
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Avo Rakoto
Nampiditra : Nyavorakoto
Daty : 21/01/2018 17:39
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014