MISY..... (Ny Avo Rakoto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MISY.....

Misy ventso mba tiako hampitaina ;
Kanefa tsy mety manako.
Misy hira mba tiako hiraina ;
mibahana mafy ato an-tsaiko.

Misy kalo mba tiako ho kaloina ;
Ka hanako ao an-tsofin'ny tiana.
Misy lasa mba tiako ho tsaroina ;
Antsoiko vao mainka nangina.

Misy teny mba tiako ho lazaina ;
Mandreraka mafy ny aina.
Kanefa tsy mety voaborako.

Misy tsiky mba tiako hivaly
Kinanjo sento no injao fa namaly :
Nanampy indray ny fatorako.

Ny Avo Rakoto
23/03/2018
--------
Rohy:
812 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Avo Rakoto
Nampiditra : Nyavorakoto
Daty : 24/03/2018 18:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106