Raha mba fantatrao (Ny Avo Rakoto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha mba fantatrao manko,
fa misy olona any ho any,tia anao mangina.
Tsy sahy milaza akory ny fitia anatiny ao,
tsy sahy mitafa akory na hiresaka aminao.

Raha mba fantatrao manko,
fa any ananonanona any,
misy te ho tiavinao.
Miandry lalandava,miandry foana ny fonao,
saingy tsy henoinao ilay bitsiny mangina,
sy ny antsoantson'ilay fony te ho eo anilanao.

Raha mba fantatrao manko,
fa misy olona any ho any,
manembona isan'andro,malahelo foana anao.
Zary tsy afaka ao an-tsainy hatramin'ny endrikao,
zary tsy afaka ao am-bavavany ilay anaranao.

Raha mba fantatrao manko,eny raha mba tsapanao,
fa marary ny mitia raha toa tsy tsapan'ilay tiana.
Nefa aleony dia mangina,hangina tsy hiteny,
hizaka samy irery,
hikobona ao am-pony ny fitiavany anao.
Satria tsy mba fantatrao,tsy mba tsapanao,
ilay fony tia anao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1892 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Avo Rakoto
Nampiditra : Nyavorakoto
Daty : 20/01/2015 16:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014