Aza avela (ny eja)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
hiran\'i tovo j\'hay (album tia tkoa)

Mitalaho raha azo atao
aza avelanao aho
hitady ny ho tiavina
fa mba hitia tsy miavona

dia mba omeo ahy kosa
fitiavanao miavosa
omeo fo tia ny hafa
tsotra tsy mba mihafahafa

aza avelanao hiteny
raha manambony tena irery
tsy mijery ireo mijaly
any ho any
hizara izay mba ahy
ho modely ara panahy
tsy hiahiahy .

mitalaho raha azo atao
aza avelanao aho
hitady tombony hatrany hatrany
amin\'ny fiainana eto an-tany
f\'izay mitady dia omena
fitia manetry tena
hitondra izao tontolo izao
hanaja hanompo anao

ity aho tompo
fa vonona hanompo
apetrakay an-tananao, ny anio sy ny ho avinay

Ny Eja (2002)

apetrako eto koa ny endrik\'io tononkalo io anankiray


aza avela

tompo o,
miangavy raha azo atao
aza avelanao aho
hitady foana ny ho tiavina
Na hanao fihevi dravina
tsy tia izay mankahala ahy
tsy miaina ara panahy

fa mba omeo ahy kosa
ilay fitiavanao miavosa
omeo fo mitia ny hafa
ka ny tanako hamafa
ireo maso mkorina-
ranomasom-pahoriana

tompo o
aza avelanao loatra
hitady tombony aho ety
fa mba hanome mihoatra
mahay mizara ny fitia
amin\'ny manodidina ahy
ho modely rar panahy

tompo o
aza avelanao hiteny
raha manambony tena irery
tsy mijery ireo mijaly
tototra tsiparifary
ilay anjarany eto an -tany
fa hizara izay mba ahy
sy hamoky ny fanahy

ka izay mitady dia homena
fitia manetry tena
hitondra izao tontolo izao
hanaja hanompo anao

Ny Eja
\"Vavak\'ilay manolo tena MARINA Amin\'Andriamanitra ho azy \'reo indrindra ity tononkalo ity\"
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
2357 6
Hevitra mandeha
NyKanto ( 26/01/2005 11:48)
Any Eja,
Ela be izany.... mba izarao matetika ny ainga avy any izahay eh!...manantena vaovao tsy ho ela.
Ny Kanto.

PS. Tiako foana raha vao tononkalo miendrka vavaka.
bitaka ( 29/01/2005 11:58)
han ! han fotsiny aloha e!
nyeja ( 29/01/2005 15:07)
misaotra an'i ny kanto sy bitaka izay namako ihany nanome hevitra ny sanganasako
mankasitraka letsy a
ny eja namanareo roa lahy
rapisoukely ( 11/07/2005 14:33)
Ny eja a, ny fitiavanao manompo ny Tompo amin'ny alalan'ny asa soratrao dia tena hankasitrahako manokana anao. Hafa ihany ny miaraka amin'ny Tompo
nyeja ( 12/07/2005 11:32)
misaotra apisokely a mankasitraka anao tanteraka aho
ny eja
robin ( 24/01/2007 18:22)
E! mba ho to anie ny vavakao
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0168