You are here: home > Vetso

IANAO - ny eja

Mijery  ny  masonao  
Mandinika ny  endrikao  
Misafo irony  tànanao
Mankafy ilay  orokao ...
Dia  tena mamiko  ny  fiainana !.

Ka na inona hidona
N'inon'inona hitranga
Ianao  tsy foiko  mba soloina
Satria  dia fenonao  ny  banga !.

Ny Eja

Hevitra mandeha

bitaka (17/11/2006 12:14:36)

ny ahy mbola misy banga be mila soso-kevitra avy aminao

Malalason

robin (29/12/2006 19:30:14)

Ho an'iza no namoronanao io

nyeja (12/01/2007 16:52:57)

no comment io !

raozigasy (29/01/2007 10:55:28)

Ho setrin'ny tononkalon' Ny eja hoe Ianao,

Ny masonao banjiniko,
Ny endrikao dinihiko
Ny tananao fikiriko
Ny orokao ankafiziko

Izay no tena fiainana

Ireo rehetra tsy ampy tamiko
saika hoe nindramiko
tetsy sy teroa
fenonao avokoa

Ryana (25/02/2007 17:29:52)

HO lasa hiran'iza io ry Eja?
Ryana

nyeja (26/03/2007 19:05:14)

tehaka mafy be ho anao ry raozy gasy fa dia mankasitraka anao tanteraka aho e !
ho an'i Ryana dia mbola tsy haiko na ho an'iza na ho an'iza aloha io .

rhina (12/09/2009 16:40:30)

ra mahay mamaly tokoa raozigasy ny eja tokony hisy fiaraha miasa manokana eto @ tonokalo ny serasera
sa ahoana !!!

Rfntr (30/09/2009 09:16:49)

Tsara é! tena tsara ka

Hametraka hevitra

Midira aloha