You are here: home > Vetso

LAZAO IZY - ny eja



Lazao izy  
Miangavy ange aho
Lazao izy
fa ny amiko  tontolo  ..
gina  bobongolo.

Dia lazao  izy
fa izy irery ihany
izy hatrany hatrany
no olona niriko
sy hany tena  tiako.

Lazao izy  
mba miangavy aho
fa ranomaso  lava
fihereta –tory
ny andro  tsy  eo  anilany.

Lazao  izy
na olon-kafa aza
no ezahako anoloana
ilay  toerany  fahiny  
anatiko dia  banga, sy mamirifiry .

Lazao  izy  
izao aho vao mankatoa
fa marina avokoa
ireo  teniny  taloha,
f’izaho no  mafy loha.

Lazao  izy  
raha azonao tenenina
fa tsy misy nenina
ny  rehetra vita
na ho hita izy  na tsy  ho hita.

   .....................
          kanefa …
Efa haiko  
fa izy   aloha tsy  ho avy
aza minia  loatra  
ny manafatra miangavy .
ny adidinao  efao
raha azonao atao…
dia mitsiky aho !.

Ny Eja 2006



Sokajy : embona

Hevitra mandeha

ounjasou (01/08/2006 08:36:30)

holazaiko azy
ny hafatrao rahavako
sao lazainy ho vazivazy
ka ho vahotra ny vavako

fiaritiana (03/08/2006 08:59:52)

Hilaza azy aho
Tsy ho sasatra ny hiangavy
Na fantatro aza fa tsy ho avy...

Hery11 (28/08/2006 08:39:21)

Toky no omeko anao,fa hiezaka aho izao ny hilaza izany satria fantatro fa tia anao koa izy any ho any

Milaliso (24/09/2006 08:28:52)

na iaza no ahitako azy,
dia aza matahotra ianao fa hilaza azy aho izao

nyeja (28/09/2006 08:24:44)

misaotra ry ounjasoa sy fiaritiana sy hery 11 ary i milaliso fa dia mankahery ilay hafatrareo hilaza aminy an bizz mamy be an

Malalason (04/10/2006 15:07:05)

aza manahy fa samy ilazako ianareo "roa" hoe "soa ny lavo sy ny kenda mba ahaizana mitsako sy mamindra (ny tady hono raha hatohy dia misy vonany tsy mety hiverina intsony) dia torakl'izany koa ny fampodiana na ny fiverenana @ efa nandao na ny nilaozana)

Malalason

Malalason (04/10/2006 15:13:14)

fanamarihana kely : aza atao ambanin-javatra ilay olon-kafa nanoloana ny toerany fahiny satria izy no namafa ny andro rehetra lasan'ny fiainanao hoy ny fiteny hoe misao-bady tanora ka manome zara ny sasany, fa tsy mba nampiharina ilay hoe tano ny azo fa sarotra ny mila.
tsetsatsetsa tsy aritra kely io.

malalason

sweetaa974 (08/11/2006 19:03:59)

misaotra anao ny eja, hainao ny kanto ary tohizo hatrany

nyeja (11/11/2006 16:35:55)

misaotra malalason sy sweetaa974 mpampahery a fa dia tena tsara be e

robin (29/12/2006 19:50:21)

aLEO FA HOLAZAIKO AZY RA TENA MANENINA TOKOA INAO

nyeja (02/01/2007 10:22:11)

tsy dia manenina fa mirediredy angamba mbola nafana ilay ratra !

Tohiny

Hametraka hevitra

Midira aloha