You are here: home > Vetso

MASIAKA IANAO RY FIARAHAMONINA - ny eja

Nahoana no mandrangitra ady
MASIAKA ianao  ry  Fiarahamonina
Moa ny  tany  ve no  fady
Sa irony  vavan'olona ?

Lazaina tsisy  fiheverana
Irony  fo  izay miara-dia
Satria ny  taona mielanelana
Tsy mendrika hifankatia

Lazainao  koa fa VOARARA
Raha samihafa ny  FIHODIRANA  
Tsorinao  fa TSY ANJARA
Satria ny  MASONAO SAHIRANA  ?


Tebahinao  fa tena ADALA
Ireo  minia mbola miaraka
Satria dia mifandany  zara
Ka tsara ho azy  ny  MISARAKA  !

Nahoana, nahoana ho aho  nahoana
Nahoana no mandrangitra ady
MASIAKA IANAO  RY  FIARAMONINA
Moa ny TANY ve  no FADY
Sa irony  VAVAN'OLONA  


O ry fiaraha monina
raha mba fantatrao  ahay  
ny  ao  anaty  ange tsy  hihonona
TSY TE HIHAINO  ANAO  ZAHAY  

Ny  Eja, 05 Juin 2007 1 ora maraina  

Sokajy : Aingam-panahy

Hevitra mandeha

Ryana (20/08/2007 14:50:27)

(tohiny... fitia voarara...)

ANIO IHANY

Ekeko fa hoe hadisoana,
Fantatro fa hadalàna,
F’anio tiako ho hadinoina
Ireo didy sy ireo fandraràna.

Raha raisina ho fahotàko,
Vonona aho hizaka ny heloko ;
F’anio tsy mba horaràko
Fa hoventesiko sy haveriko.

Tsy hiahotra aho, tsy hisalasala
Hizara ny ao anatiko aho ;
Ka ny rehetra hahalala
Izay nokoboniko hatrizao.

Mety hisy ho tahintohina,
Hilaza fa rediredy ny ahy ;
Hisy ireo himonimonina,
Hiampanga ahy ho ts’isy fanahy.

Fa tsy ahoako izay hiseho,
Tsy ahoako izao rehetra izao
Anio ihany aho, mba ekeo
Hilaza fa hoe « Tiako ianao ! »

Anio ihany…

Ryana
(28/03/07)

nyeja (24/09/2007 07:49:39)

tsara be ilay tononkalonao ry RYana ! mankasitraka

toetra (05/02/2008 23:39:20)

Fiara-monina
Indraindray
Mimonimonina
Mahay
Mitsikera
Tsy ampiheverana
Ny afera
Misentserana !

Ao ny tena
Mampiaiky :
Havan-tena
Sady akaiky
No mahavatra
Fihomezana
Ka mandratra
Taolan-tehezana !

Misaotra Ny Eja

rahonala (16/05/2008 13:07:28)

Aingam-panahy va ny hasikany fiarahamonina?

Andrianina87 (18/07/2012 14:53:52)

tiko be le tononkalo nao io. Mankasitraka Ny Eja

Hametraka hevitra

Midira aloha