You are here: home > Vetso

Namana - ny eja

NAMANA  !

Namanao fotsiny  
tsy  misy  afa tsy izay
manaiky ny hiantsoroka
ny  sedra mahamay
mety mampahory
tsy ahitanao tory.

Namanao foana
anilanao satria
manokana  fotoana
porofon'ny fitia
ary izy hanao izay vitany
ka mahasoa anao
f'izay no tena sitrany
safidy tsotra  izao

namanao maharitra
raha toa ianao finaritra
manaiky ny fisiany
fa azonao atao
ny  miala sy mandao
fa  tsy  omeny tsiny  

fa izy manko hatrany
dia namanao ihany .

Ny  Eja 2001

Sokajy : Namana

Hevitra mandeha

totty (17/06/2005 21:36:51)

tiako be ilay tononkalo fadiamisaotra ny mpanoratra,ma,ambara ny fitiava-namana

nyeja (18/06/2005 11:10:00)

mankasitraka anao nitsidika ny tonnkaloko rehetra

Malita (01/07/2010 11:11:13)

tean mankasitraka tanteraka anao Ny Eja... tena kanto ity tononkalo ity

Hametraka hevitra

Midira aloha