Nofy lalina (ny eja)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOFY LALINA

(hiran'i TOVO J'HAY album vol3 "Tia t'koa")

Ilay endrikao zay nahasarika ahy
ilay toetranao tsara fanahy
malefadefaka fijery
maontina fomba sy fiteny

Noho ireny rehetra ireny
nahatonga ahy hanonofy anao
nofy lalina
ao anaty alina
izay nihaonatsika sy ianao;

'reo nofy mamy
mampanontany
fa vita lasitra ato an-tsaiko
tsy hay vonoina
na hadinoina
manintona foana ianao ry aiko !

hira izay noventesitsika roa
tao anaty nofy kanto tokoa
Ny fo miventy azy hono tena feno
mikalo ity hira tsy faheno

oroka safosafo
no solo-tsakafo
ireo sangisangy
sy vazivazy
no tena nampiavaka azy

ka hadisoako ve ny hiteny hoe
misy lanja be dia be
ny fisianao

.NY Eja (2004)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1894 3
Mpakafy: nani - iharantsoa - NyKanto
Hevitra mandeha
NyKanto ( 27/05/2004 12:41)
Miaiky sy talanjona foana aho rehefa mahita ny saganasa tena kanto toy itony ... topi-maso kely avy aty amin'ny namanao . Ny Kanto
belouh ( 16/10/2005 16:36)
Kanto sy Meva Mahatalanjona Mitondra any amin'ny tontolo hafa ...makany @paradisan'ny kanto hoy aho
Fahitan'ny mpanakanto iray (Andry Tarika MIARA psedo belouh)
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149