You are here: home > Vetso

Ny fahafahana - ny eja

FAHAFAHANA  

Tiako ny voninkazo,
dia tiako  koa ny fahafahana
raha hivelatra tsy halazo
haharitra hafiriana ?
anatin'ity vazy
mangina dia mangina !
lavitra ny  rivotra
mamelombelona azy
lavitra masoandro
toy ny  voasazy  .
Ny  hany  heriny
dia ny  mampifaly tena
satria dia heveriny
fa soa ny manantena
manantena hatrany
fa hisy  ny  mangirana
manantena ihany  
no  sady  miramirana .

Ny  Eja  17 febriary  2004  

Sokajy : ahy, manokana

Hevitra mandeha

totty (29/06/2005 23:54:16)

Faly miarahaba ny mpanoratra,ny fahafahana angaba mety hitoetra ela fa ny voninkazo kosa vetivety dia tsy hita,dia mankahery hatrany ho anny manoratra ny tenako

nyeja (30/06/2005 17:51:07)

misaotra anao hatrany aho ry totty

Hametraka hevitra

Midira aloha