Ny Fitiavana (ny eja)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia misy ny fitiavana
toa mirentirenty,
manaitra toy ny varatra
mandalo vetivety
satria tsy misy akony mba matotra any aoriana
ka ireo sendra azy, nanjahatra ary sina!

Dia misy ny fitiavana
miafina mangina
kanefa dia tomaratra
na dia ampiafiana
ireo mpiventy azy , toa malahelohelo
miezaka milozoka ilay tsiambaratelo .

Dia misy ny fitiavana
toa fangalana tombony,
ventesina ny "tiako"
ny "ho doria" tononina
kanefa nony lany sy tapitra ny harena
dia lefy ilay fitia, nirodana nianjera.

Dia misy ny fitiavana ho an'ny manirery
ilay tiana toa miandry
ilay tia anefa very
tsy mety mifanena satria dia izay no anjarany
ka dia mifampitady, Eny hatramin'ny farany ! .

Ny Eja 2005
--------
Rohy:
Sokajy : Malalaka
12738 10
Hevitra mandeha
fiaritiana ( 15/11/2005 14:18)
Dia misy ny fitiavana
toy ny ahy ry Ny Eja
Fitiavana maharitra sy miredareda
Natao ho modely sy natao fitaratra
Notiaviko ny anjarako,
fiaritiana ( 15/11/2005 14:20)
Misaotra anao ry Ny Eja fa tiako be io tononkalonao io
tapaka ny teniko teo ambony teo
mazotoa hatrany
fiaritiana namanao!!
Bizoroka bdb
nyeja ( 08/12/2005 05:42)
misaotra akia fiaritiana an
nyeja ( 08/12/2005 05:45)
misaotra akia fiaritiana an
totty ( 06/01/2006 17:39)
Miarahaba an'i ny eja , tena tsara tokoa io tononkalo vaovao nosoratanao io e!
nyeja ( 10/01/2006 15:16)
eny ry totty vaovao tamin'ny 2005 io
robin ( 02/01/2007 09:27)
Eny tokoa tena izany moa ty fitiavna ty an
nyeja ( 03/01/2007 07:15)
eny tokoa voalazanao ry robin a !
Mahazak ( 01/08/2007 08:27)
Manaiky ny voalazanao ao amin'ny tononkalo aho ary nampivoitra hevitra iray nalefako any @ adiresinao. Dera
nyeja ( 11/01/2008 03:03)
zany ve misaotra dera a
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0182