Raha mba fantatrao ?? (ny eja)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA MBA FANTATRAO ,

Niezaka aho hanafina
Izay tempo an-tratrako ao,
Fa loza angamba ny ahy
Raha fantatrao tsinahy
Ilay faniriana
Anatiko ao mangina ,

Niezaka aho hitsiky
Imolotra ihany
Raha ampihomezinao
Fa satriko mihitsy
Ireo hanihany
Tanteraka sy atao...!

Raha mba fantatrao
F'izaho dia tia anao .



Ny Eja
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
5632 6
Hevitra mandeha
NyKanto ( 05/08/2004 13:00)
Sombin-tononkalon'i Haingo ... nosintoniko avy ao amin'ny amboaran-tononkalo "ILO" tak. 48.

"Efa fantatrao angamba
fa ny fahitako anao
nampitombo lanja ny heriko
...fa ilay fitsikinao
nampikombona ny feriko
...fa ny diam-peninao
mahababo ny fijeriko
...fa ny tononkalonao
zary lasa tsianjeriko
...fa ny teny maminao
no tahiry tsy mba veriko
...fa ny andinim-piainanao
raikitra ho misiteriko ..."

Aza manontany tena intsony hoe "raha mba fantatrao ? " satria" efa fantany tokoa satria raha vao mivetso tononkalo ho azy ianao dia efa raisiny fa tia ... ny fotoana hanambaranao azy sisa no andraso, " ary saino dieny izao, ny havalinao azy, amin'izay fotoana izay ...."

Ny Kanto namanao.
nyeja ( 06/08/2004 09:01)
misaotra ry Nykanto a nanome hevitra io tononkalo io , mahafinaritra fa tsy manadino ary mirary soa anao hatrany ny tenako ,
Ny Eja namanao
bitaka ( 15/08/2004 10:53)
eeeeeeh! tandremo sao dia marary fo eo an! aza misalasala mamboraka ny fanirina @olon-tiana fa zònao izany raha tena tia ianao tsy voatery ny lehilahy foana akory no hamboraka mialoha "tsy nisy nangataka voan'ny tehamaina" andramo anie e!
R.JO
tsikikely ( 19/08/2004 13:58)
Dia efa namboraka fitia ve aloha Ny Eja sa dia ny tao anaty foana no navela nisamboaravoara ? Sa sari-kenatra sa efa olona hafa no tiany ?
nyeja ( 20/08/2004 09:36)
misaotra anareo nanome hevitra e dia andramana tokoa angamba zany le izy e fa raha sendra mamaky ny tononkalo ao anaty namana serasera izy dia efa fantatr'ilay iantefany!
nikopol ( 20/08/2004 12:50)
Ohatra te hanana tantaram-pitiavana amin' i Nyeja zany ny ambiroako.
Nikopol
nyeja ( 21/08/2004 13:28)
aza mampihomehy ry Nikopol a lol ! misaotra mamaky ny sanganasako.
nikopol ( 23/08/2004 07:28)
Nyeja, tsisy fisaorana fa ny fahafinaretana efa lasako.
Aza raisin-dry ho zava-mahatsikaiky ny ambiroako mitady bokaka, ny siligoma efa lanin-dry mbola afaka tsakotsakoiko.
nyeja ( 26/08/2004 16:57)
hi hi misaotra e !
Malalason ( 31/08/2004 13:41)
sao de fetsy i nikopol an nefa hein tandremo sao hifindran'ny aretim-panoratra eo ka mahay miantsà tsy fidiny
R.JO
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0165