Raha toa ka ... (ny eja)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any andro any volana ,
raha toa ianao misedra olana
sanatria ampahoriany
fa olon-kafa indray no tiany .
Dia izao no tadidio
ho manga foana io lanitra io
satria mantsy any ho any
izaho namorona akany
ato am-poko mba ho anao
na lavitra aza tsy mandao .
Ny Eja 2002
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Fisarahana
2522 5
Hevitra mandeha
andriary ( 21/03/2005 12:08)
ommm!ianao namorona akany,hiverenany sa hovantaniny?
saro-takarina nefa akaiky ny hevitra tianao aposaka sy lay tantara...
misaotra fa vokatry ny fo misy sento!
fiaritiana ( 22/03/2005 18:03)
marina ny anao ho manga foana io lanitra io
nyeja ( 26/03/2005 16:27)
hihihi hovantaniny sady hiverenany hihihi dia efa nampirimiko tsara ny akany .misaotra anao aho ry andriary mitsidika foana ny sangan'asako.!
Ny eja namanao
nyeja ( 09/05/2005 08:49)
misaotra an'i fiaritiana koa aho mitsidika sy nanome hevitra e
ny eja
gasitiako ( 17/05/2005 13:06)
voaray sady tafita
ao am-pon'ny tsirairay
toa mivaingana sy hita
ho anay tsy mahay

tohizo hatrany fa mahafinaritra sy tiako
hoy i gasitiako
nyeja ( 18/06/2005 09:01)
misaotra ry gasitiako a
rapisoukely ( 22/06/2005 18:45)
nyeja a, tena mety amiko mihitsy ary mampahery ahy io asa soratrao io, misaotra anao.
any andro any volana mety hiova ho manga ihany ity lanitro ity, ankehitriny izy aloha dia mbola maizina tanteraka.
nyeja ( 06/07/2005 08:52)
aza manahy fa ho managa foana akia io lanitra io an mankasitraka anao manokana aho e
ny eja namanao
tia2005 ( 03/08/2005 14:24)
hita mihintsy hoe olon'ny fo an! misy fanantenana foana na d efa mihantra aman'aina aza!
zakilinina ( 18/08/2005 15:52)
Tsara sy mora raisina ity tononkalo ity ry Ny Eja ary ankafiziko tokoa. Izaho rahateo koa moa tia tononkalo fohifohy kanefa mafonja tahaka itony.
Indro kely anefa aky.
- Sao dia misedra "olAna" fa tsy "olOna" ilay and. faharoa ? Mba mirima tsara izy amin'izay.
- Diso tsipelina angamba ilay and. farany :
"Na lavitra aZa tsy mandao"
fa tsy
"Na lavitra AA tsy mandao".
@ manaraka indray aky an !
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113