Tiako ny eo anilanao (ny eja)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIAKO NY EO ANILANAO

Tsy mitady ny hoe:
"tsy maintsy ho tiavinao"
Tsy manantena koa ny hoe:
"tsy maintsy ho ilay voafidinao",
fa ny azoko ambara
sy ny azoko lazaina:

"tiako ny eo anilanao"
saingy tsy azoko dradraina !.

Tsy manantena na mikiry
na dia tsapako indraindray,
fa kihon-dalana impiry,
izay voasedratsika izay,

nefa...

tsotra ny fiteniko,
ary inoako fa tsy ho neniko
Eny mbola antitranteriko,
ilay teny tsotra fantatrao:
"Tiako ny eo anilanao"

Ny Eja
25 juillet 2004
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
3820 3
Hevitra mandeha
bitaka ( 15/08/2004 10:48)
izaho koa te ho eo anilany raha toa ka mety izy
tsy an-tery anefa fa safidy
fa an'Andriamanitra ny didy.
R.JO
rmbary ( 18/08/2004 13:25)
tsara sady milay
tohizo
bary
tsikikely ( 19/08/2004 13:53)
Tsara ilay tononkalo; fa izao e, tsy miafy be ve ilay tia ? Miari-pery, somary "masochiste" hoy ny fiteny vazaha ? Hevitra aloha ny ahy é, fa na izany tsara ilay tononkalo.
nyeja ( 22/08/2004 07:48)
misaotra an'i tsikikely, i rmbary , ary i bitaka nanome hevitra ny tononkalo , mankahery ahy ny hafatrareo ka mankasitraka hatrany .
ny eja
nyeja ( 28/08/2004 12:55)
ny tononkalo ry tsikikely dia matetika mety any aminareo mpamaky indray mahita ny tohiny , fa ny anay mpanoratra dia mamoaka ny aingam-panahy , mety maro manko ny fijerin'ny mpamaky azy fa azo lazaina aloha fa marina ihany ny fijerinao iny e !
crrlanto ( 22/11/2004 19:15)
ny fitiavana rey olona
rehefa mby ka mamololona
dia mirehitra aok,izany
toy ny hoe tsy eto an_tany
ilay tiana amin,izany
toy ny hoe zanahary
ka na hoe mandratra aza
dia ankafizina eny ihany
__________________
Hoan,nyeja, tandremo sao be sentiment loatra an .Tsara ilay tononkalo
endrehina ( 14/04/2007 06:40)
mankasitraka tanteraka an'i ny eja aho satria maro ny mafy efa nodiavina fa anisan'ny mpampahery ahy ny tononkalona na tsy sehatry ny fitiavana aza fa ny fiainana @ ankapobeny mihitsy misaotra an' i ny eja
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0165