Aleoko ihany zao (Ny Ela Nihetezana)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aleoko ihany "zao...

Tsy hoe foana 'lay fitiavako zay tena tsara orina !
Tsy lefy tao ambavako ny anaranao tononina ,
F"aleoko ihany 'zao( ...)hionona mangina
aleoko ny mitoetra tsy manan'olon-tiana !

Tsy ianao nisakana na nisy noraràna
Tsy izaho no nitsipadakan'avy niampitàna,
f"aleoko ihany izao...na ory sy tomany
Aleoko ny irery tsy misy anao ihany !

Tsy noho ianao nilaza fa tofoka tsy mila
tsy ilay fitiavan-tsika forehitra sy kila !
f'aleoko ihany zao(...)mitoetra manirery
iaretako ny ratrako , fa efa tako-pery

Tsy hoe tsy azo avaozina 'lay fitiavan-tsika!
tsy sarotra afanaina koa raha toa ka mangatsiaka
F'aleoko ihany zao ...avelako ho dila !
avelako ho potika fa feno filafila

Tsy hoe nalàky rava 'lay dinam-pitiavako
tsy rediredy fotsiny fa tiako ianao ra-havako
F'aleoko ihany 'zao(...)na dia hamisavisa
aleoko tsy itiavana 'reo andro rehetra sisa !

Tsy hoe ny saiko angamba no tsy mitàna intsony
tsy mampaninona ahy koa ,voaratra fanindroany!
F'aleoko ihany 'zao...hamoy anao indray
Fa efa zatra niady irery foana hatramin"izay

Tsy hoe ny fo-ko mihidy, ka sarotra sokafana
Fa efa miha-tsapako ny tianao hahatongavana
K"aleoko ihany 'zao(...)aleoko tokantena
raha toa izao no lahatra , tsy maintsy ho ekena !

Ny Ela Nihetezana
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
638 0
Hevitra mandeha
ikalamako ( 15/12/2020 19:00)
Ilay "aleoko ihany izao" anankiray no noantsaiko dia efa nalefako any ny feony. Fa ity niova ny tonony dia tsy mifanaraka amin'ny feony.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101