Aloka Nitoetra... Nisy s (Ny Ela Nihetezana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aloka Nitoetra...

Nisy sento tsy hay sinakana, ny maraina'ny omaly
Raha mbola naizin-dratsy!
Nisy antson'alahelo, sy dradram- peo namaly,
Fa izy nodimandry!

Nisy feo nitoreo, sy tabataba maro
Nanako tany ho any!
Nisy enon-dakolosy, mitsintaintaina mandalo
Mampirotsaka tomany!

Nisy andro tsy nazava, fa dia naloka nitohy
Kanefa vao naraina!
Nisy ora nampifendro, toa mba fotoana fohy
Nefa sarotra fafaina!

Nisy hafatrin'ny maty, voapetraka sahady
Ho an'i zanany mba solony!
Nisy tsiaro tsy voafafa, milentika ao anaty
Toy ny eo ambany orony!

Nisy Reny sy ny ray, nanao veloma farany
ity zanany naterany!
Nisy zoky sy ny zandry, niantsoantso ny anarany
fa kely de navelany!

Nisy olom-bitsivitsy, saika hamangy ny mpiteraka
Kanjo loza aman-tany!
Lay matoavavin-drainy, efa reraka dia reraka
Niala aina no hita tany!

Dia nisy aloka nitoetra, teny ampara-vodilanitra
Nanamaloka ny andro!
Nisy hiboka niakatra, sy havan'Andriamanitra
'Zay nanakona masoandro!

Dia nisento izay nandre, nitomany nifokofoko
Satria tohina ny fo!
'Ireo fianakaviana, 'moa tena re nigogogogo
Nalahelo be tokoa!

Ny Ela Nihetezana
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana
366 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104