You are here: home > Vetso

Androm-pahatsiarovana... - Ny Ela Nihetezana

Azo vakiana?

Androm-pahatsiarovana...

Lasa ...sisa fahatsiarovana
Ilay akanim-pahazazana
Ravarava tsy hita soritra
Ilay tanàna nidolana

Toa tsy misy hita intsony
Reo mpitafany fahiny
Tsisy afaka hantsoiny
Fa zay tonga, mpivahiny

Nefa io ilay taloha,
Feno hehy sy koràna
Tsy mba nanam-paharoa
Fa tanàna ,naha-tamàna

Raha topazana avy lavitra
Mahasarika ny saina
Ilaozana ela ,toa tsy ho aritra
Fa tanàna ,nolalaina

Mbola ho avy anefa ny andro
Na ho ela ,na halàky
Hamerenana ireo tsiaro
Hiarana amin'ikaky

Ireo lasa nandalovana
Tsy ho adino ,tsy akory
Fa ny androm-pahatsiarovana
Tsy mba maty , fa matory

Sokajy : fiainana

Hevitra mandeha

gasykr (07/06/2019 15:26:43)

Misaotra e. Tena mahafinaritra!

Hametraka hevitra

Midira aloha