Fatra-pandinika... Ny el (Ny Ela Nihetezana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fatra-pandinika...

Ny ela nietezana ka lava volo
Dia fatra-panoratra
Tsy te hitsikera fa mba te hanoro
Sy mba te hamboraka

Lazaina matetika fa basy vava
reo fatra-piteny!
Enjehina ompaina aratsina lava
ombieny ombieny!

Lazaina fa hoe hampandroso ny vina
Ka eo dia mamorona!
Kanefa ny marina toa azo vidina
Ny vahoaka no sorona!

Lazaina koa eto fa ho avy atsy ho atsy
Ny tena fanovàna!
Na mety tsy androany, fa hisy hamatsy
Ny eto antanàna!

Lazaina matetika f'ireo tanora
no ho avin'ny Gasy!
Kanefa efa saika isan'adro isan'ora
Voambana basy!

Fahita koa eto ny miangavy mafy
Rehefa hifidy!
Manodina vola mizara fitafy
Tsy misy mahidy!

Rahoviana vao mety hiova tanteraka
Ny fiainana ety!
Ny gasy mijaly vahoaka efa reraka
Marary , mahia!

Ny ela nihetezana ka lava volo
Dia fatra-pandinika !
Ny feony vahoka zahay no nisolo
Fa samy madinika!

Ny Ela Nihetezana
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
406 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097