Ho an'i neny (Ny Ela Nihetezana)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hitanondrika aho ry neny
Eto andoha fasanao
Hitoloko sy hisento
Isan"andro lava izao
Eto aho hamisavisa
Fahoriana sy tomany
Miandrandra paradisa
Hisy anao indray andro any

Voninkazo no atolotro ,
mba ho valin'ny babena
saotra dera avy @molotro
ho an'i tompo no homena
Fa ianao lay reny tiana
nosomparam-pahalovana
Ka ny tany zay niaviana
No nanjary fandalovana

Any ianao zay efa potika
efa sisa angamba taolana
Efa niova lasa vovoka
Lay nitondra ,sivy volana
Malahelo anao ny fo-ko
Hontsa sady mitomany
Fahoriana sy toloko
Ny fiainako eto antany

Na dia oram-be mikija
Raho-mainty mitatao
Dia aleoko tsy mifindra
Eto antongo-pasanao
na hisy orambe tsy tana
Hisy varatra hilatsaka
Ny fitiavako ry Mama
tsy hihena na hitsahatra

Tsangambato sisa izao
no mba afaka iresahako
Fa ianao efa nandao
Zay no anjaranao sy anjarako
Ka ny sisa antenaiko
Mbola tsy haiko hoe rahoviana
Dia lay reniko lalaiko
Ho tsenaiko ampifaliana

Ny Ela Nihetezana ( Nosoratana t@ 14.02.2015)
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
1001 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106