You are here: home > Vetso

Tsy resiko! - Ny Ela Nihetezana

Malàla a !

Tsy resiko ireo tsiaro niarahantsika roa
Bosesika ao am-po
Na efa taona maro, dia toa tadidy ihany
Tsy resiko izany!

Lay tafasirintsika tanaty volantsinana
Izay nifamihinana,
Ireny tafatafa miharo sangisangy
tsy resy fa mamangy !

Ny soa izay fianatra mba nanitsianao ahy
Tsy resy lasa tsiahy !
Ny làlana nalehako fony mbola teo ianao
Tsy resy hatramin'izao !

Irony sisi-morona misoritra fitia
Ahatsiarovako an-dry
Ny tao am-poko rehetra, naborako nalàky
Tsy resy fa mitaky !

Ireny angolanao tsy nanam-paharoa
Tsy mety resy koa !
fa satry foana foana hitoetra manoloana,
Tsy ahoan-tsy ahoana


Ny Ela Nihetezana

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha