Miondrika aho malàla, fa (Ny Ela Nihetezana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miondrika aho malàla, fa sasatra ny fo'ko
Niezaka nitia, kanefa nisy nioko
Fa nalaky babo aho, taminy filantony
Ka tsy nahatakatra, izay nety ho antony

Tsy mba niandry akory izay fotoana ho ela
Fa avy dia niraikitra ny nitia ka tavela
Manko efa naniry mba hisy hankatia
Kanjo tojo ihany, fa tsy mba ilay doria!

Raha fitia no resaka, ny ahy ho nampivika
Nefa izao faranako aminy teboka ny antsika
Tsy ianao no reraka fa izaho no nisafidy
Ka na mila hitroatra, hasiako lamboridy!

Ny fo'ko re no adala, nitia fotoana fohy
Nifidy anjaran'olona, ka tsy afaka manohy
Dia izao voadona izao, no sisa niafaràny
Miondrika fa resy, voahitsaka aminy tany!

Mialohany hamaranako ny teniko, dia izao
Ny marina mba takatro no ho tsoriko aminao!
Misento aho fa resy, marary aho fa rava
Kanefa raha hamerina ho sanatrian'ny vava!

Hataoko fanitsiako ny ho aviko ny lasa
Fa izay hamitaka ahy impolo angamba no asa(...)
Tsy avelako hitoloko, ny fo'ko na hisaona
Fa any andro hafa, isika mbola hihaona!

Ataoko sanatria ny hoe handao ny tany
na aza aho ka marary, misaona mitomany
Fa ny ahy ny fahavoazana, hisiany fanamboarako
Fa ny ratra sy ny sento, ireny no amboarako!

Ny Ela Nihetezana
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana
654 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016