Ny teny sy ny tany, dia z (Ny Ela Nihetezana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny teny sy ny tany, dia zava-mifanjohy
Saika nitovy ihany, satria mifampitohy

Ny teny no amantarana,
ny firenena iray
Kajiana sy ampianarana
hahafahana mifandray

Raha foanana ny teny,
Tsy hisy fandrosoana
Zay tsy afaka miteny
Tsy fidiny fa moana

Ny tany ihany koa,
harena nolovaina
Tsy manam-paharoa,
ka tokony hohajaina

Izay mivaro-tany
Mivaro-tanindrazana
fa zay mandoro izany
Maniry tany ho ngazana

Mitovy ihany ireo;
fa tsisy ambony ambany
Harenanao rahateo
Ny teny, sy ny tany
Koa aza mba mimonona
Fa mba mankasitraha
Ataovy tsara tonona
Sao hiova ho vazaha

Dia tiavo sy hajao,ny tany sy ny teny
sambory sy gadrao , zay mivarotr"azy ireny
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
428 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104