Ranadahy ao amin'ny tompo (Ny Ela Nihetezana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ranadahy ao amin'ny tompo!

Izaho ve ratsy saina, sa diso saro-piaro
Ka mampifamotitra anareo mpianadahy
Sa lay anadahy ny anareo no mifangaro
Ka manao fihetsika mampiahiahy!

Tsikarikaritro mantsy ianao mazotozoto
Rehefa mba sabotsy na Lahady izay ny andro
Fa manko haka anao eo 'lay zoky ao aminy tompo
Dia iny tsy mahatombina fa miovaova akanjo!

Izaho moa sahirana, mitaondrano handroanao
Manokona sakafo, mba hoe handraisana azy
Ny tava misaritaka, sy feno saribao
Fa rehefa tonga izy, izaho mangasihasy

Odiako tsy jerena ianareo miarahaba
Tsy miarahaba tsotra, fa mifanakaiky soroka!
Toa samy sahisahy, tsy misy mihambahamba
Rehefa izaho mitodika, ' mahita paika molotra!

Kanefa androany moa, nafeniko anao
Fa izaho nanarakaraka, anareo tato afara!
Dia iny ianareo fa nanao ilay fanao
Anadahy ao aminy tompo, avy eo mifanadàla!

Tsy vavan'olonkafa,, fa izaho nanaporofo
No sady tsy ampiangonana, fa an'efitra mangina!
Nifampisafosafo, avy eo nifampiampofo
Mpianadahy ambava fotsiny, fa an-takona olontiana!

Koa tsoriko eto anio, sady ataoko didy jadona
Tsy maintsy isika miaraka, rehefa andeha hivavaka!
No sady raha tratrako ianareo antakotakona
Tsy ilam-panazavana, fa tonga dia misaraka!

Ny Ela Nihetezana
--------
Rohy:
Sokajy : Ady - Fitiavana
555 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135