Resy lahatra ny foko (Ny Ela Nihetezana)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Resy lahatra ny foko
Resy lahatra aho satria, mahatonga anao tsaroako
Dia itoeran'ny fitia
Nefa sao dia sanatria,
sanatria ka izaho irery no hahatsapa toy izany
Hilalao fitia an-tery,fa tsy tena hifankatia
Dia any am-parany hitomany

Resy lahatra aho kanefa
Indraindray misalasala
Izay tia mantsy adala, fa ny tiavina no angamba
Atahorana hiala
Ka dia hampihambahamba ny hiantso anao malala

Resy lahatra ny foko
Fa ny sary hosodoko, raha tiana hivoaka tsara
Dia tsy maintsy ampiana loko
Fa raha tsy voakarakara dia hanjary peta-toko
Amin'izay dia samy miala

Toy izany ilay fitia maharesy lahatra ahy
Ka manahy aho raha manahy



Ny Ela Nihetezana
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
848 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151