Ry tiako iriany hafa o! H (Ny Ela Nihetezana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry tiako iriany hafa o!
Henoy aho fa hitafa, hamboraka ny ampoko
Fa mantsy ianao malàla, tsy zakako ampofoiko
Ka ahiako ho lasan'olona

Voatery aho mitolona, manao 'zay sitrakao
Mitondratondra anao, miara-milalao
Kanefa izaho manahy!
Fa misy mantsy sahy, mibata anao antratrany
Fa izaho tsy mahazaka, haharaka ny halavany
Ka lasa miaritra eto!

Kanefa akia malàla, isan'andro aho misento,
Mba miezaka mibata anao ihany , fa mangeto
F'ianao mantsy mavesatra
Ka tsy ny tenako ihany, fa ny saiko koa mba reraka

Fa ny tena mampijaly aky, dia rehefa ririnina
Ianao toa lava loatra ka tsy afaka ho fihinina
Dia eo aho fa manjohy, izay azoko tomorina
ka ny eo ambony foitranao no takatro fofonina
Kanefa izaho tsy sahy
(...)
Fa ny olonkafa mantsy , mananihany ahy
Manao 'zay hampisaraka
Rehefa isika miaraka

Kanefa tsy ahoako, 'zay vavan'olona any
Fa fotsiny , meteza ianao ho olon-tiako hatrany!

Ny Ela Nihetezana
--------
Rohy:
Sokajy : Hatsikana
555 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102