Sambara ihany ianao, ry t (Ny Ela Nihetezana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sambara ihany ianao, ry tany tena mamiko
Ry Gasikara soa, voafidy mba ho taniko
Sambara ihany ianao, na hisy hanakorontana
Fa izaho mbola hampitoetra 'lay andrinao tsy hirodana!

Sambara ihany ianao, na iza hanapotika
Hanipy bala rora, sy mbola handrotirotika
Sambara re ianao e, fa aza mety ho ripaka
Fa amin'ilay mpahary, ianao mahazo sitraka!

Sambara ianao ry taniko, sambara foana foana,
Fa hiova vaovao indray izao ny taona
Tsy akory mantsy ianao, ka hoe efa lany zara
Fa tany manan-kasina tokoa i Gasikara!

Sambara fa aza kivy, amin'ireo mpandrova
Mpanangan'ady lava, no efa ataony fomba!
Kanefa ianao sambara, sambara foana hatrany
Fa mbola tiako foana, ianao raha samy tany!

Sambara ianao ry taniko, sambara isan'andro
F'efa manangasanga indray 'lay Tara-masoandro
Koa iriko ianao ho sambatra, falia sy miravoa,
Ho nosy iray miavaka, tsy hanam-paharoa!

Sambara ihany ianao, sambara dia sambara
Amin'zay ho sambatra ireo dimbinao sy fara!
Hivavaka aho ry taniko, hivavaka ho anao
Mba handry fehizay, ny fiandriananao!

Ny Ela Nihetezana
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
437 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146