Taminy taona lasa aho(... (Ny Ela Nihetezana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Taminy taona lasa aho(...)
Tsy mba afaka nisitraka fitia taminao
fa toy ny felam-boa tafasaraka aman-taho
Kanefa mba nitory fitiavana impiry
Fa novalianao tosika sy niaritra hirifiry

Taminy taona iny
Ny fiainam-pitiavako mba tany nivahiny
Niangavy nandohalika, namoha ny fonao
Kanefa tsy nahita afa-tsy ny tsiny
Dia lany andro teny, nataonao kilalao!

Niova anefa izany, fa niova koa ny taona
Tsy hita intsony teo, reo sento sy ny saona
Kanefa vao misantatra ity ny fiandohany
Dia inoako marimarina, fa ho tsara ny hiafaràny!

Reo siakanao navesatra , reo teninao nandratra
inoako fa hovainao , voam-bolana voalahatra
Hatramin'ireo toetra tsy mendrikao taloha
Ho tantara efa lasa, tsy hiverina avokoa!

Ny Ela Nihetezana
--------
Rohy:
520 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105