You are here: home > Vetso

Taratasy farany !!!Niri - Ny Ela Nihetezana

Taratasy farany !!!

Niriko re ry dada,raha izaho no nisafidy
Niriko dia niriko ny mbola ho nitoetra
Fa ny androko voafetra,ka tonga ny tsy fidy
Dia tapitra tanteraka ,ny androko rehetra

Voakosoka ny anarako ka tsy afaka soloana
Hizotra manirery ,lay lala-mikitoana
Misampana ry dada,ny lalan'ny fanahy
Koa aoka ny tomany ,fa tsy hampiverina ahy

Tsy maintsy ho faranako ny sisa fara-teny
Votsory koa ny tanako, fa tazako i neny
Tazako mitsena ,lay vata-mangatsiakako
Mivimbin-damba fotsy ,mamafa rà mandriakako

Raha sendra mahatsiaro,na rehefa sendra mievina
Aza manahy ry dada,f'izaho dia tsara levina
Aza misaina akory ,ny hanati-boninkazo
Dia aza oriory, fa any aho dia mahazo

Ity no taratasy anaovako veloma
Satria mivaloarika,ny endrikao voadona
Tsy maintsy ianao ho lena,raha mbola miaina ety
Koa tehirizo tsara, ity taratasy ity

Mpanoratra , ilay zanakao (Ny Ela Nihetezana)

Hametraka hevitra

Midira aloha