Tsy resiko malàla reo ts (Ny Ela Nihetezana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy resiko malàla reo tsiaron-tsika roa
Bosesika ao am-po
Na efa taminy lasa dia toa tadidy ihany
Fa tsy mba lefy izany

Ilay fiarahan-tsika tao anaty vola-tsinana
Izay nifamihinana
Lay tsika mody miady ,avy eo misangisangy
Tsy lefy fa mamangy

Ianao lay mila vaniny,ndraindray midongidongy
mifampilongilongy
Antsoiko tsy miteny; fa mody mitomany
Fa hay mihanihany

Lay feonao miangoty,tsy manampaharoa
Tadidiko avokoa
Iriko foana ho heno na oviana na oviana
Fa feon'olon-tiana

Miraikitra ato an-tsaiko isika roa nampiaraka
Toa ireny tsy hisaraka
Iriko hitamberina,haverin-tsika foana
Tsy ahoana tsy ahoana


Ny Ela Nihetezana
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
923 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139