Valifatim-pitia... Nitia (Ny Ela Nihetezana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Valifatim-pitia...

Nitia ianao kanefa(...)
Vao maika niambohoany, nodiany tsy tazany
Toa olonkafa ihany, vao mamboraka ny vavany
Dia teo ianao niery, tsy niteny na dia tia
Fa nanantena hatrany, na ho eny na ho tsia

Voatery nefa ianao, fa mitaky ny ao am-po
Tsy nahavita nihafy, fa nitia tokoa tokoa
Kanefa mora taminy , niteny hoe ajanony
Ka na ny tany halehanao tsy hitanao intsony!

Dia nisy valifaty, nitsiry ho azy teo
Nanomboka ao am-ponao , nitombo anefa avy eo
Dia niandry azy ho irery, sao ho afaka hanohy
Fa mantsy raha ho tsia, omenao fotoana fohy!

Efa vitanao ny paika, dia tonga ilay fotoana
Ny ao antsainao ao, dia ny hanatona azy foana
Fa izy no nandà!
Dia aleonao farànana, amizay samy tsy manana
Nitia ianao kanefa, natosi-bohotanana

Ny anton'iny anefa, tsy fahadisoanao akory
Fa ny fitiavanao, no tena nampahory
Ka dia nitsiry teny, ny valifaty lalina
Ny aoriana ianao, vao misaina ny hitandrina!

Ny Ela Nihetezana
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
546 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0465