ETSY SY EROA - NY HARIAINA
Etsy sy eroa
Iretsy:
Mitarehin-katezerana,
Mivana tsy azo ferana
Mivoara-mena romotra
Mirintona sy sosotra
Tokoa fa tena rangitra
Miridy mafy:dangitra
Ireto:
Mifaly sy mitsiky,
Mihomehy sy mitokiky
Latsaka sy ripaka,
Mitokelaka mibitaka
Lavitry ny ho litika,
Ravo mivanitika
Izato ianao kosa,
Io miseho variana
Tonga atsy dia hifosa
Handatsa sy hanakiana
Tsy mba mahay mangiana
Fa faly handany rora
Haneso sy hanakora
Ity izaho aza,
Manao be filaza
Mitsaratsara loatra
Miteny tafahoatra
Tia manombantombana
Kanefa tsy tomombana
Aleo hametra-penina
F´andrao hitsako nenina
Sy ho voatora-bato
NY HARIAINA
04.01.2012
Ny mpanoratra
Tononkalo hafa
INY MALALAKO INYHANAKORY
TORATORA-POKO
Mahandrása mihitsy
TANTARAN-TOLAKANDRONY
Mba toa anao koa
Mitia aho fa mankahala
Diary
Hevitra mandeha
iasara (11/02/2012 20:01:43)
mahafinaritra eh,kanto,mahaliana,..manana tanora afaka anandratra ny asa soratra malagasy ny firenena.misaotra sy mankasitraka Ny hariniaina.
nyhariaina (13/02/2012 15:14:46)
*NY HARIAINA azafady fa tsy Ny Hariniaina
Tsy misy fisaorana Iasara a! Efa rá mikoriana ilay fanoratana dia tsy mety ho afaka intsony.