INY MALALAKO INY (NY HARIAINA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ray ö!
Iny malalako iny.....

Hombánao anio ny fiainany mahantra
Kasiho ny tananao aza ny feriny maratra
Ny fony kivy teo ilay voahenjika voalatsa,
Na anio fotsiny ihany aza aoka Ianao mba hiantra

Bitsiho mangina an-tsofiny mba tsy ho hadinoiny,
Fa izy anie ka TIAKO e! aoka hotsaroany

Meteza mihitsy Ianao hamangy ny ati-fony
Midira sy mitoera ka aza miala intsony
Ny fiainany rehetra aoka hialohavanao
Ho ampoky ny tsara ambany elatrao

NY HARIAINA
03-05-2012
--------
Rohy:
1981 0
Hevitra mandeha
Soarilala ( 06/05/2012 20:00)
Ray ô!
Iny malalako iny.....

Tena tsara !
nyhariaina ( 06/05/2012 20:10)
Izany ve? misaotra e
Nivoary ( 12/10/2012 11:21)
ndry, maftifaty kely!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY HARIAINA
Nampiditra : nyhariaina
Daty : 03/05/2012 07:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0171