TANTARAN-TOLAKANDRONY (NY HARIAINA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TANTARAN-TOLAKANDRONY


Iny tolakandro iny no andro nilatsahan´ny tavoniny...
Vao teraka izy tamin´izay dia ny "ho azy" no nitaraindrainany! Maika ery ny handady vao mba niharinarin-doha, nibadabada niantso dada sy niezaka namindra raha nahay nitsangan-drery.

Fa iny tolakandro iny no tsy maintsy nivoahany namonjeny ny fianarany,nandranto koa ny A.B,D,...

Fa iny tolakandro iny koa ilay fotoana tsy mba natoriany ilay lany tamin´ ny fangalampieriny, ny kilalao samihafa ambamin´ireo sakaiza keliny.

Fa iny tolakandro iny ihany,no indro izy nankamamy ny fiarahana nisangy, nitsentsitra ny fý-am-pialana sakana. Ka nirihariha izay tsy izy, tsy akory nisaina ny ho vizaka.

Fa iny tolakandro iny koa no mbola nisantarany ilay fotoana tena "miavaka," ilay faratampom-piadanana. Ka io nandrevo nofimamy, nitantana aza ilay anjeliny...Ilay fitiava-mahasambatra.

Fa mbola iny tolakandro iny ilay nandrandrainy hatry ny ela, ilay folakandro niavaka... Ilay nanekeny an-tsitra-po, ilay nilazany f´ ho doria hitia ilay toka-maminy; Teo imason'Andriamanitra.

Fa iny tolak'andro iny no ilay tsy mba natoriny, ilay tsy maintsy nihafiany, ilay namonjeny ny lahasany,ilay tokoa aza nikirizany ho an´ireto sombinainy.

Iny tolakandro iny izy io ambony ankalan-kely. Nisangy tamin-jafikely, nitangotango volofotsy, nitafitafy bodofotsy.

Dia tolakandro maromaro no tsy nahafahany nivoaka f´eo ambony lavarangana rehefa mody masoandro no miezaka mitapy andro. Fa nalemy sy efa lanaka ireto ranjo, fe... godraka.

Fa iny tolakandro iny indrindra ilay hany tolakandro farany, ilay nahenona ny anarany izay novakiana tam-piangonana. Indro feon-dakolosy nitsitapy sy nilamina niampy ranomaso maro sy alahelo tafaharo no nanarona ny tany.

Indreto miaramila sisa no milanja vata hazo, saina... Poabasy tokana no re, io nisokatra ny fasany....

Dia izay no namaranany iny TOLAK'ANDRONY iny...


NY HARIAINA
23 Feb 2012
--------
Rohy:
1331 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY HARIAINA
Nampiditra : nyhariaina
Daty : 08/03/2012 10:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147