TIA ANAO (NY HARIAINA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIA ANAO

Tsy ny tsy fantatro akory no hambarako aminao,
Na ny zavatra tsy haiko
Tsy ny kobaka am-bava aza no ho diana izay hataoko,
Fa ny tokony hohefaiko
Tsy ny volana eny an-danitra no ndeha homeko anao,
Izay tsy takatry ny aiko.

Dia tsy ny tsy misy koa no hampanantenaiko anao,
Na ny zavatra tsy marina.
Tsy ny tsy hita aza ho hatoroko anao,
F´izay azoko takarina
Ary tsy laingana na imolotro ny fitia omeko anao,
Fa ny avy ato am-poko lalina

Ka teny tsotra monja,
Monja fa mafonja
No hamehezako izany
Efa tia anao aho,
Ka hotia anao hatrany

NY HARIAINA
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2049 1
Mpakafy: kiriah
Hevitra mandeha
kiriah ( 03/12/2012 21:06)
..."F´izay azoko takarina
Ary tsy lainga na imolotro ny fitia omeko anao,
Fa ny avy ato am-poko lalina"...

Kayyyy !!! , mitsatoka tsara mintsy kousa zany an! , milay e !
nyhariaina ( 04/12/2012 10:51)
Noloarina aby mihitsy ny avy anaty fo lalina tany, tsy misy tafajanona koa ao na ny kaokaokany aza... dia nandrombinana hatramin´ny tsinay mihitsy koa aza (angamba). Misaotra e
Mitsoa ( 05/12/2012 13:30)
tena babo aho e.iza no tsy ijan amzan?
elle5 ( 31/12/2012 04:03)
... efa tia anao aho, ka hotia anao hatrany .
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY HARIAINA
Nampiditra : nyhariaina
Daty : 03/12/2012 12:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146