Andalan-tsoratra ho anao. (Ny Hasina Heritiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Inty an-dalantsoratra iray;
no soratako ho anao;
mba hilazako aminao fa:...
Tsy hohadinoiko ianao;
Satria tiako tena tiako;
Hotsarovako foana ireo teny maminao;
Ny hosakambininao no mba hany faniriako;
Mbola antenaiko fa ho namako ianao;
Eny aza hihoatra noho izany;
Tiako hiainana indray ilay fitiavana taloha;
Tiako ny hofihininao;
dia hosafosafoinao koa;
Tiako ny hiverenanao indray;
Ka hanjaka ato am-poko;
Eny mbola ho avy ny fotoana;
hahafantarantsika roa;
Fa ilay fifankatiavantsika;
Dia ilay tena fitiavana;
Fitia vokatry ny fo;
Ka izaho tsy hohadinonao;
Ianao tsy hohadinoiko.
Andalantsoratra iray;
hoanao miloatra avy ao am-poko.
--------
Rohy:
Sokajy : fitiavana
2249 1
Hevitra mandeha
nyeja ( 31/08/2004 13:26)
misento be aho marina an
mampisento loatra ilay izy ry Ny hasina heritiana a
yonikafopl ( 31/08/2004 13:50)
fa naninona i nyeja no nisento??? hihihihih
sotra e!!!
Mandinika ( 10/07/2017 19:11)
mampandinika lalina mits iz zan an!
tsar e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106